<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>551</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tsy lany fahoriana
 Ity tanintsika ity,
 Fa be ny fihafiana
 Izay hitako atý,
 Ny Tompo no jereko,
 Raha reraka ny fo,
 Ka eo no fiereko,
 Raha azon'ny manjo.

[V2]
 Etý alaim-panahy,
 Jeso, ny olonao,
 Kanefa tsy manahy
 Izay nahita Anao,
 Hianao no hojereny
 Ka moa ho resy ve ?
 Hianao no handreseny
 Ny fahavalo be.

[V3]
 Tsy azo ialana
 Ny eo anilanao,
 Mahita fanimbana
 Izay mahafoy Anao.
 Asain'ny fahoriana
 Jerena Hianao,
 Mahazo fifaliana
 Ny maso aminao.

[V4]
 Rehefa hialana
 Izao tontolo izao,
 Ny tany tsy hitana
 Izay mahita Anao.
 Ka dia hojereko,
 Ry Tompo, Hianao,
 Fa Hianao homeko
 Izao aiko kely izao.</lyrics>
<title>Tsy lany fahoriana FFPM551</title>
<author>A.H. Mann</author>
</song>